- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmpandrana Trano may : vehivavy lehibe roa maty

Ampandrana Trano may : vehivavy lehibe roa maty

71 taona sy 66 taona. Voafandriky ny afo tanteraka izy roa vavy ireto tao anatin’ny fahamaizana nihatra tamin’ny tranony, tetsy Ampandrana ny alarobia teo. Tsy tafavoaka intsony ka namoy ny ainy.

Nitrangana hain-trano goavana tetsy Ampandrana Andrefana afak’omaly, tokony ho tamin’ny telo ora sy fahatelony tany ho any. Trano lehibe vita amin’ny biriky misy rihana roa no kila hotohoton’ny afo tanteraka, tao anatin’ny minitra vitsy monja. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga izany afo izany. Raha ny filazan’ireo manodidina nahita ny loza, dia toa hoe niainga avy tao ambony rihana ny setroka nijolofotra narahina lelafo nijoalajoala. Raha vao nanomboka fotsiny izay, dia raikitra ny akoralava sy ny antso vonjy. Niolomay nivoaka ny trano namonjy ny tenany sy izay entana azo nobataina ireo olona rehetra tao an-trano sy tamin’ireo trano nifanolo-bodi-rindrina. Noho ny toetr’andro dia vetivety, dia niitatra tamin’ny trano manontolo ny afo. Nantsoina avy hatrany ny mpamonjy voina ka tsy ela ireo dia tonga teny an-toerana. Fiara lehibe efatra niaraka tamin’ny mpamonjy voina  18 no tonga teny nifehy ny loza. Fahefak’adiny aty aoriana no voafehy tanteraka ny afo, ary voaaro ireo trano manodidina. Tamin’izay kosa no fantatra, fa hoe nisy vehivavy anankiroa efa nahazo taona ihany nipetraka tany amin’ilay efatra ambony niavian’ny afo. Tsy nisy natao intsony anefa ny amin’izy ireo, rehefa nokarohina fotoana maromaro taty aoriana. Namoy ny ainy, kila forehitra niaraka tamin’ireo entana maro samihafa tao izy roa vavy ireto. Tonga teny an-toerana niezaka niaro ireo entan’ireo olona niharam-boina ihany koa moa ny mpitandro filaminana sady inoana fa mety efa nanokatra fanadihadiana mahakasika ity hain-trano tsy fanta-piaviana ity. Naka ny razana teny an-toerana kosa ny tao amin’ny Bmh ary naterina teny amin’ny tranom-patin’ny Hjra etsy Ampefiloha.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici