Kôkôty na “dose” indray mitsindrona, nahatratra valo no tra-tehaka tany amin-dRôrô, ny alatsinainy teo, tamin’ny fotoana nisamboran’ireo pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’Antaninandro azy. Izy, izay efa fantatry ny rehetra amin’ireo bizina madinika sy fivarotana rongony mahery vaika teny amin’ny faritra Ampandrana iny. Tonga teny am-poto-tsofin’ny pôlisy tokoa izay feo izay, ary manoloana ny ady atao amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina amin’izao, avy hatrany dia nandray andraikitra izy ireo, tamin’ny fidinana teny ifotony sy fikarohana ity mpivarotra heroine ity. “Tonga nanao fisafoana teny ny polisy nanao fanamiana sivily. Tra-tehaka arak’izany ny lehilahy iray, 43 taona, mbola teo am-pivarotana heroine” hoy ny fampitam-baovao. Kôkôty miisa enina no tra-tehaka taminy amin’io fotoana io, izay nokasainy hamidy. Mbola nisy roa hafa ihany tany an-tranony tamin’ny fotoana nisavana izany, hoy ny vaovao azo hatrany. Tamin’io fotoana io ihany moa dia efa nentin’ireo mpitandro filaminana natao fanadihadiana ranamana ary notazomina natao andrimaso ho amin’ny famotorana. Miezaka tokoa ireo mpitandro filaminana amin’ity ady amin’ny zava-mahadomelina mahery vaika ity kanefa na izany aza hiaraha-mahalala fa efa tsy voafehy intsony ny fiparitahany. Eny fa na hatreny an’elankelan-trano rehetra iny aza moa dia efa ahitàna mpivarotra sy mpihinana ary mpitsindrona izany rongony mahery vaika izany, toy ity teny Ampandrana ity.
m.L
Inona izany ny mahatonga ny heroine ho voarara ?
Inona ny tena maha samihafa azy amin’ny toaka gasy ohatra ?
Tokony fotorana tsara ny iavian’ilay izy, ny nahatongavany teto, sy ny tompon’ny entana, fa raha izay no fantatra dia mba fantatra daholo iany ireo mpamatsy azy