- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmpandrinakanga-Antsiafabositra : Fanafihan-dahalo, olona iray naratra voatifitra

Ampandrinakanga-Antsiafabositra : Fanafihan-dahalo, olona iray naratra voatifitra

Efa tamin’ny 07 ora maraina ny talata lasa teo ireto malaso 11 lahy nitondra basim-borona no nigadona tao an-toerana ary nanao ramatahora ny mponina tamin’ny alalan’ny poa-basy sy fitsofana kiririoka. Nihorohoro tsy misy sahy nivoaka ny tranony ny fokonolona nanoloana izany, ka nandritra izay no nananaraotan’ireo olon-dratsy namoahana ny omby tany am-bala. Tokantrano maromaro no lasibatra, ary omby manodidina ny 60 isa no very. Antsasak’adiny taorian’io vao samy nivoaka ny tranony avy ny olona, raikitra amin’izay ny antso vonjy rehefa hita fa foana ny vala. Ny vatan-dehilahy teo an-tanàna niaraka amin’ireo fokonolona manodidina ny fokontany voatafika no tonga dia nanara-dia ireo dahalo. Tamina tanàna kely iray tsy lavitra ity toerana nisehoan’ny fandrobana no nifankatratra ny roa tonta. Teo no nisian’ny fifandonana efa naharitra minitra maromaro. Mpanara-dia iray no naratra voatifitra, ary voatery tsy maintsy nandositra ny fokonolona no sady nampandre antso an-telefaonina ny mpitandro ny filaminana. Nisy malaky ny sakana nataon’ny Zandary telolahy tany amin’ny toerana hoe Bevoay raha naheno izany. Vao nahatazana ireo Zandary ireo mlaso dia nitsoaka, ka raikitra ny fifanejehana sy ny  fifampitifirana, ary naharitra adiny iray izany. Tafaporitsaka ireo dahalo sy ny basy nentiny, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Azo avokoa ny omby rehetra,ary efa natolotra ny tompony.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici