- Publicité -
lundi, septembre 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanefena Vohémar : Mpandraharaha iray mibodo tanim-panjakàna

Ampanefena Vohémar : Mpandraharaha iray mibodo tanim-panjakàna

Toy izao ilay fanefena tany miteraka olana

Malaza ao Ampanefena (Vohémar) ankehitriny ny fibodoana tanim-panjakàna ataona mpandraharaha iray manana tany mifanila vodirindrina amin’ny tranompokonolona.  Ity farany tokoa mantsy dia nanangana tamboho  kanefa araka ny ambaran’ny fokolona dia tafiditra ao anaty fefy ny tanim-panjakàna.  Ilay mpandraharaha, izay mirehareha fa mahafantatra olona ambony,  kosa anefa dia nanambara fa azy ny tany ary efa voafaritra (vita borne) ara-dalàna.

Ny olana mikasika ity fifandirana ity, araka ny vaovao voaray dia iankinan’ny fiainan’olona  maro ilay tany voafefy tsy ara-dalàna. Maro mantsy ireo tantsaha  manodidina mivelona amin’ny fambolena kanefa dia miteraka fanelingelenana ho azy ireo ity famefena tokontany ity. Tsy vitan’izany fa  rehefa tongan ny fahavaratra dia dibo-drano ny faritra noho io asa io ka  mahatonga olana eo amin’ny fambolena sy  ny manodidina.  Manoloana izany dia efa nandray andraikitra ireo manampahefana  toy ny solombavambahoaka, Ben’ny Tanàna sy mpitandro filaminana. Efa nisy mihitsy ny fanakanana ny asa kanefa dia mbola mitohy izany hatramin’izao. Manoloana izany dia miantso ny tomponandraikitra  ambony kokoa ireo fokonolona mba hijery akaiky ary handray fepetra entitra mikasika ity raharaha ity.

R.Edmond

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici