- Publicité SW45 -
jeudi, mars 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanefy Atsimondrano : Nentin’ny mpanampy nitsoaka ny 3 tapitrisa Ariary

Ampanefy Atsimondrano : Nentin’ny mpanampy nitsoaka ny 3 tapitrisa Ariary

Nentiny nitsoaka ary nanjavona niaraka tamin’ny vola 3.800.000 Ariary ny tovolahy mpanampy an-trano teny Ampanefy Atsimondrano. Nody avy hatrany tany amin’ny tany niavany any Morarano Ambatolampy izy io. Nividy akanjo vaovao, finday, famantaranandro, borety ary radio carte Ilay tovolahy. Vola 840.000 Ariary sisa hita tany aminy, izay nafeniny tany anaty tafon-trano. Voasambotry ny Zandary avy ao amin’ny poste avancé Soavina ilay tovolahy. Araka ny fanazavana avy amin’ny zandary dia tovolahy iray 19 taona niasa ho mpanampy an-trano tetsy Isaingy, kaominina Ampanefy ity nangalatra tamin’ny mpampiasa azy ity ny 13 jolay lasa teo. Vola vidin-kisoa ireo volabe an-tapitrisany nangalariny ireo. Nandritra ny tompon-trano tsy tao no nohararaotiny. Rehefa tonga ireo vao nahita fa tsy hita ilay mpanampy ary tsy tao ihany koa ny volabe. Nokarohina kanefa tsy hita. Nampilaza tamin’ny zandary avy hatrany ny tompon-trano ary nandray andraikitra ireo. Noho ny fikaroham-baovao no nahatrarana azy, refa nanao ny fanadihadiana nandritra ny andro maromaro ny zandary. Notanana Ilay tovolahy nanaovana fanadihadiana ary natolotra ny fampanoavana. Manentana ny olona hatrany ny mpitandro filaminana mba ho mailo, indrindra ny famelana ny vola sy zavatra sarobidy ao an-trano. Toy izany koa ny fametrahana fitokisana amin’ny mpanampy. Raha azo atao tsara hatrany raha misy olona ao an-trano. Tsy fanao ny mamela volabe sns ihany koa. Mety na ny jiolahy aza ho voasarik’izany.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici