- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanefy : Fanafihan-jiolahy, voafatotra ny tompon-trano, lasa ny entana sarobidy

Ampanefy : Fanafihan-jiolahy, voafatotra ny tompon-trano, lasa ny entana sarobidy

Efa-dahy, izay samy nitondra basy poleta no nanafika tany amin’iny  distrikan’Atsimondrano iny, ny alahady vao maraina teo. Lasan’izy ireo tamin’izany ireo entana sarobidy rehetra tao an-trano. Tokony ho tamin’ny iray ora maraina no nisehoan’ity fanafihana ity tao amin’ny tokantrano iray tao Ambohimamory, Ampanefy. Teny amin’ny varavarankely ry zalahy ireto no nitsofoka rehefa nopitsohiny izany. Taitra noho ny kotaba tampoka, nandrovitra ny voalin’ny alina sy ny fahanginana ireto telo mianaka tao an-trano kanefa tsy afa-nanoatra firy. Efa vava basy no nandrahona azy ireo. Nofatoran’ireo jiolahy tsy nananany antra ireto telo mianaka, ary nanao izay danin’ny kibony izy ireo nibata izay zakany. Lasa nandositra ireto farany nony avy eo, namela ireo tompon-trano tamin’ny fatorany. Ny maraina mihitsy araka izany vao afaka niantso vonjy izy ireo.  Efa nandray an-tanana ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny olon-dratsy, raha ny fantatra, ireo zandary avy ao Ankadivoribe. Ny fampitam-baovao no nahafantarana fa nizotra nihazo an’i Bevalala iny ny dian’ireto olon-dratsy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici