- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversAmpangabe Ambohidratrimo : Jiolahy raindahiny maty voatifitra

Ampangabe Ambohidratrimo : Jiolahy raindahiny maty voatifitra

Nandamoka avokoa ! Nisesisesy ny fanafihana nataon’ireo andian-jiolahy ny alin’ny alatsinainy teo tany amin’iny distrikan’Ambohidratrimo iny. Tao amin’ny fokontanin’Ampilanonana, ao amin’ny kaominina Mahereza, tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina tany ho any. Tsy nahavanona izany anefa dia nikasa ny hifindra indray, saingy ny an’ireo zandary sy ireo fokonolona hatrany ny tonga aloha. Niafaràny, tsy tana intsony ny fifandonana tao Ambohimiandra, kaominina Ampangambe. Vokany, iray tamin’ireo jiolahy no lavo … Raha ny fampitam-baovao dia tokantrano iray io saika nataon’izy ireo lasibatra voalohany io. Nalaky nandre haingana anefa ireo zandary tany an-toerana ka tonga avy hatrany teny an-toerana, talohan’ny fanafihana. Tsy nahazo na inona na inona akory ireo olon-dratsy tamin’izay ka dia vaky nandositra. Nifindra lasy tsy lavitra teo indray izy ireo, mbola tamin’io alina io hatrany. Saingy efa nampandrenesina avokoa ny toby manodidina. Ankoatra azy ireo rahateo, misy hatrany ireo mpitandro filaminana manao fisafoana tsy tapaka izany faritra izany. Mora tamin’ireto farany no nahatsikaritra indray ireto mpanao ratsy. Velona ny fifandonana ary niparitaka samy nihazo ny lalany avokoa ireo adian-jiolahy mpanafika. Tamin’izay fotoana izay anefa, voalaza fa efa nihamaro ireo mpitandro filaminana teny an-tsehatra ka natao ny savahao ny manodidina ireo tanàna nokasain’izy ireo notafihana. Tsy niandry ela rahateo izany fa tao amin’ny tanàna iray tao Ampangabe no nifanehatra tamina andian’olona nampiahiahy ireo mpanenjika. Raikitra fanintelony ny fifandonana. Nitatatata ny basy ary io nahafaty olona voatonona ho jiolahy io ny zandary. Nambaran’izy ireo fa nitondra sabatra lava lela ity farany tamin’ny fotoana nizahana ny razana. Taorian’io moa, tsy sahy nanohy ny asa ratsiny intsony ireo andian-jiolahy ary samy niezaka niery, nanararaotra ny alina. Ho an’ireo mpitandro filaminana kosa, mbola nitohy ny fisafoana sy ny fikarohana ary ny fanaovana hazalambo ireto olon-dratsy ireto, izay anentanan’izy ireo hatrany ireo fokonolona hifanome tanana amin’ny fampandriana fahalemana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici