- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpangabe : Fasana novakiana, nangalàna « ody havandra »

Ampangabe : Fasana novakiana, nangalàna « ody havandra »

Nitrangana vaky fasana teny amin’iny faritra Ampangabe iny, ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo iny omaly. Somary hafakely ny zava-niseho satria, raha ny voalaza fa tsy ireo taolambalo araka ny fahita hatramin’izay no nalain’ireo tsy valahara fa … vakoka malagasy !

Omaly tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany teo no nahazo antso ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ampangabe fa nisy fasana vaky teo amin’ny tanana antsoina hoe Ambohimiandra. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto mpitandro filaminana. Tamin’ny fizahana ny zava-nisy, rehefa nolazain’ny sefo fokontany teny an-toerana  no nahitàna fasana iray, izay miala tokony ho iray kilaometatra ny tanana, efa nivoha sy nobahanan’ireo tsy mataho-tody. Raha angom-baovao azo dia tsy nisy nipika ireo razana miisa sivy tao anatin’izany fasana izany. Izy ireo rahateo efa tsy nisy taolan-dava intsony. Ny hany herin’ireo mpamaky fasana dia nakorontany ambony ambany fotsiny ny razana. Araka ny vaovao azo hatrany anefa dia ankevitry ny tsy ireo taolambalo mihitsy no antony namakian’izay olona nanao izany ity fasana ity fa zavatra hafa. Voalazan’ireo tompom-pasana tamin’ny mpitandro filaminana mantsy fa « vakoka malagasy : ody havandra » no nanjavona tao anatin’ity fasana ity, ary heverina fa nangalarin’ireto tsy mataho-tody. Efa eny am-pelan-tanan’ny zandary misahana ny fanadihadiana moa ity raharaha tsy dia fahita ity amin’izao. Ho hita eo ihany ny fivoaran’ny famotorana izay mety hizotra any amin’ny fisamborana ireo izay olona nahavanon-doza, hoy ny fanazavana azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici