- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanihy Andrefana : 31 volana tsy nandray karama ireo mpiasan’ny kaominina

Ampanihy Andrefana : 31 volana tsy nandray karama ireo mpiasan’ny kaominina

Isan’ireo kaominina ambonivohitra sokajiana ho mbola tara eo amin’ny lafiny fampandrosoana ny kaominina Ampanihy Andrefana, raha toa ka ny taona 2009 no lasa kaominina ambonivohitra ity kaominina ity. Velon-taraina ka manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana mahefa ireo mpiasan’ny fiadidiana ny tanàna, satria efa ho 31 volana (nanomboka ny taona 2014) izy ireo no tsy mbola nandray karama. Tsizarizary ihany koa ny fitaovana ampiasana hanatanterahana ny asa rehetra. “ Milina fanoratana tokana monja sady efa antitra no amitanay ireo kopia an’arivony. Izany solosaina nampanantenaina anay efa hatry ny ela izany dia tsy mbola hitan’ny masonay hatramin’izao ”, hoy ireto mpiasan’ny kaominina. Manaitra ny sain’ ireo tompon’andraikitra ny Ben’ny tanànan’Ampanihy Andrefana, fa “ hatramin’izao dia tsy mbola nahazo famatsiam-bola avy amin’ny fanjakana ny kaomininay, ary hatreto tsy mbola naharay ihany koa ny anjaram-bolany amin’ny vola 200 tapitrisa ariary nomen’ny fanjakana isaky ny Distrika ”, hoy Randrianandrasana Jean Jacques. Etsy andaniny, velon-taraina ny mponina noho ny tsy fisian’ny toeram-pandidiana ao amin’ny hopitaliben’ Ampanihy Andrefana. Voatery mandeha any amin’ ny kaominina ambanivohitr’i Ejeda (50 km miala renivohitry ny Distrika) na mankany Fotadrefo (105 km eo) na an’ i Toliara ireo marary mila fandidiana. Noho ny haratsian-dalana sy halaviran-toerana misy, dia maro amin’ireo marary no maty eny an-dalana. Manampy trotraka ary mahakivy ny mponina any an-toerana ihany koa ny fahatapahan-jiro sy rano lava maharitra herinandro.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici