Omaly naraina, ankizilahy iray sahabo 14 eo, voalaza fa mpianatry ny Ceg an’i Ejeda, Distrikan’ Ampanihy Andrefana, no hita faty nitsingevana teny amin’ny reniranon’i Onilahy. Tamin’ny fotoana nahitana ny razana, dia mbola teny amin’ity mpianatra hita faty ity avokoa ny fanamiana manonkana maha mpianatra azy nanaovany ary ny kitapo nentiny. Ny andron’ny omaly io hatrany, saingy tany amin’ny Fokontany Andremba Distrikan’i Betioky Atsimo kosa, dia ramatoa iray 30 taona mahery eo no hita faty natsingevan’ny rano, raha araka ny vaovao voaray nampitain’ny Sefo Fokontany any an-toerana.
Eric Manitrisa