- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAmpanihy Andrefana : Dahalo 4 maty voatifitry ny Zandary

Ampanihy Andrefana : Dahalo 4 maty voatifitry ny Zandary

Mbola tsy milamina mihitsy hatramin’izao raha ny asan-dahalo any amin’iny faritra Atsimo Andrefana iny no asian-teny. Vokatry ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana sy ireo malaso an-jatony nirongo basy sy zava-maranitra, nanafika tao amin’ny kaominina Berohy Atsimo, ka nahaverezana omby 540 niampy basim-borona roa.Dahalo efatra no maty voatifitry ny zandary, nandritra ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona, ny alakamisy lasa teo. Ny talata teo ireto malaso ireto no nanafika tamin’io tanàna io. Tsy vitan’ny nangalatra omby izy ireo fa mbola nitondra olona telo  nataony takalonaina.

Takalonaina iray hita faty. Iray tamin’ireo takalon’aina no hitan’ny fokonolona nanara-dia ny fatiny izay narian’ireo olon-dratsy tao anaty ala. Nomarihan’ny fampitam-baovao avy any an-toerana fa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana raha ny fizahana ny razana. Ireo roa sisa ambiny nalaina ankeriny kosa dia mbola tsy nahazoam-baovao ny momba azy ireo hatramin’izao. Tsy mandroba fananana ihany no ataon’ireo jiolahy tsy mataho-tody amin’izao mandritra ny fanafihany fa sahy sy mahavita mandatsa-drà sy aina mihitsy. Manginy fotsiny ny fanaovana takalonaina.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser