- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanihy Andrefana : Dahalo 4 nandroba Ar 10 tapitrisa, migadra, kandidà...

Ampanihy Andrefana : Dahalo 4 nandroba Ar 10 tapitrisa, migadra, kandidà ho ben’ny tanàna iray voasoketa

Dahalo efatra izay voasambotra ny 30 mey lasa teo voarohirohy tamina fanafihana nitam-piadiana narahina fandrobana tany Beahitsy (50 km avaratry ny tanàn’Ampanihy Andrefana mihazo ny distrikan’i Betioky Atsimo iny), ny 18 mey lasa teo, izay nahaverezana lelavola 10 tapitrisa ariary sy entana maromaro sarobidy no naiditra am-ponja vonjimaika rehefa nandalo mpitsara mpanao famotorana tany amin’ny tribonalin’ Ampahiny, afakomaly hariva.

Fanosoram-potaka ! Kandidà ho ben’ny tanàna iray hirotsaka amin’ny anaran’ny antokon’ny mpitondra ankehitriny no karohina amin’izao, izay voasaringotra ka voasoketa ho niray tendro tamin’ireo mpandroba, raha ny loharanom-baovao azo farany. Etsy andaniny anefa, manda ny fanosoram-potaka atao amin’ity kandidà ity ny fianakaviany, ary nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety, nilaza fa : « tsy dahalo na niary tendro tamin’ny olon-dratsy na namana malaso ny havanay, satria tsy fantany velively ireo jiolahy tratra ka M.D ireo. Fingampingana ara-politika entiny sasany matahotra hifaninana aminy hanilihana azy tsy ho kandidà io fanosoram-potaka io, satria mamim-bahoaka izy ary namono omby iray ho fisaorana ny vahoaka rehefa lany ny filoham-pirenena amin’izao ».

Mihorohoro. Porofon’izany raha ny fanazavana hatrany, diaolona iray akaiky an’ity kandidà ho ben’ny tanàna ity notondrona molotra ihany koa fa niray petsapetsa tamin’ireo mpandroba nosamborina, nefa nafahan’ny fitsarana, noho ny fisalasalana. Noho ny tahotra satria misy mifofo ny ainy dia tsy hita ny misy an’ity kandidà ho ben’ny tanàna ity amin’izao, raha ny voalazan’ny fianakaviany hatrany, ka hanairan’izy ireo ny sain’ny mpitondra sy ny tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny, mba hijery akaiky ity toe-draharaha ity. Na izany aza, ny fitsarana ihany no tompon’ny teny farany, ka ho hita eo ny tohin’ity tantara ity.
Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser