Taorian’ny fanafihan-dahalo nataona 15 lahy nitam-basy niseho tao amin’ny Fokontany Antohabato, any amin’ny Kaominina ambanivohitra Fotadrevo, Distrikan’Ampanihy Andrefana ; izay nahaverezana omby maherin’ny 80 , ny 30 jona teo, dia nanao ny fanarahan-dia an’ireo malaso ny mpitandro filaminana nampian’ny Fokonolona. Tao anaty fifandonana, dahalo roa maty voatifitra, 13 hafa azo sambo-belona niaraka tamin’ny basy nampiasain’izy ireo. Raha ny vaovao voaray, dia tra-tehaka niaraka tamin’ireto malaso ireto ihany koa ny ampahany tamin’ireo omby avy nangalarin’izy ireo. Ary mbola mitohy hatrany ny fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana ireo omby ambiny. Manoloana ny firongatry ny asan-dahalo mahazo laka any an-toerana, dia nozaraina telefaonina finday ireo Sefo Fokontany 72 ao anatin’ny Kaominina Fotadrevo. Ny antony, raha ny fanazavana azo, dia mba hanomezan’ireo Sefo Fokontany ireo vaovao tsy tapaka ny mpitandro filaminana hahamora ny fanenjehana an’ ireo mpanani-bohitra fahavalom-bahoaka.
Eric Manitrisa