- Publicité -
mardi, décembre 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpanihy Andrefana : Delegem-panjakana vao notendrena, namaky birao

Ampanihy Andrefana : Delegem-panjakana vao notendrena, namaky birao

Tranga tsy faseho masoandro nahamenatra izay nahavalalanina ny maro no niseho tany amin’ny Kaominina ambanivohitra Fotadrevo, distrikan’ Ampanihy Andrefana, ny sabotsy teo. Delegem-panjakana iray vao notendrena no namaky birao amin’ny andro tsy fiasana, ary nandray ny asany avy hatrany, na dia tsy nisy famindram-pahefana tamin’ilay delegem-panjakana amperinasa nosoloina aza. Ity farany, raha ny fantatra, dia mbola tsy nahazo ny « décision » mamindra azy hatramin’izao. Raha ny vaovao voaray, voalaza fa tsy « Adjoint administratif » nahavita fianarana akory ity delegem-panjakana vao notendrena ity, fa nanohana mafy ny ben’ny tanànan’i Fotadrevo amperinasa amin’izao tamin’ny fifidianana farany teo iny, dia napetraka amin’io toerana io noho ny herin’ny vola. «  Tsy ekena ny fanararaotam-pahefana ataon’ny olom-boatendry « misengy bodogero avao », ka mangataka ny fandraisana andraikitry ny ministera mpiahy izahay, fa tsy manaiky ny fampianaran-dratsy ny vahoaka toy izao, satria ny tomponandraiki-panjakana tokony ho modely eo amin’ny fiarahamonina indray ity no manao mpitari-bato vilam-bava. Ary hoentinay any amin’ny ministera mpiahy avokoa ny porofo rehetra sy ny ao ambadik’izao raharaha tsy fanao amin’ny tany tan-dalàna toa an’i Madagasikara izao », hoy ny depiote Keron Idealison, Solombavambahoakan’i  Madagasikara voafidy tany an-toerana. Nampiaka-peo ity Solombavambahoaka ity, raha namarana ny fanazavany, fa « Aleo mba olona nianatra momba ny fitantanan-draharaham-panjakana no omena andraikitra. Ary aoka ny fanjakana mpampiasa no Sefo, fa tsy izay mpanambola mpanefoefo mahitahita milaza fa mahavidy izao rehetra izao ».

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici