- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanihy Andrefana : Hatao savahao ny mpihaza sokatra

Ampanihy Andrefana : Hatao savahao ny mpihaza sokatra

Miray feo ny manam-pahefana ao an-toerana ary raikitra ny savahao izay hatao amin’ny mpihaza sokatra. Na izany ireo mpihaza, na ireo mpamono na koa ireo mpanondrana dia samy iharan’izany fepetra hentitra izany ankehitriny. Raha ny fanazavan’i Randriansolo Arijaona Andriandazaina,  Tonia mpampanoa lalàna ao an-toerana dia saziana avy hatrany amin’ny làlana manan-kery ary tsy hanavahana tavan’olona ho an’izay tratra. Ny taon-dasa teo dia olona dimy no nidoboka am-ponja ary sokatra 442 no avotra soa aman-tsara teny am-pelan-tànan’ireo olon-dratsy. Hatreto kosa, izany hoe hatramin’ny fiantombohan’ny taona dia efa olona telo sahady izay no naiditra am-ponja rehefa sarona amin’ny raharaha mitovy. Sokatra velona 60 isa no avotra ary mbola nisy kitozan-tsokatra 100 kilao sarona teny amin’ny mpanao ratsy. Isan’ny tranga farany izay niseho ny alarobia teo ny nahitàn’ny zandarimaria ao Ampanihy ny kitozan-tsokatra 250 kilao izay heverina fa sokatra 400 isa no novonoina mba nahazoana izany henany izany. Natao tao anaty gony 14 isa ary notaterina an-tongotra izany. Rifatra nitsoaka anefa ireo olon-dratsy raha nifanena tamin’ny zandary izay nanao fisafoana tampoka. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia ao amin’ny kaominina Androhipano no tena famonoana ireo biby sy fangalàna ny henany mba havadika kitoza. Araka ny lalàna dia nodorana ireo kitoza. Ireo sokatra sisam-paty kosa dia notsaboina sy narahi-maso ny fahasalamany (mise en quarantaine) alohan’ny namerenana azy ireo any anaty ala.

D.R

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici