- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanihy Andrefana – Lycée Fotadrevo : Nofatsihan’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra ny biraon’ny...

Ampanihy Andrefana – Lycée Fotadrevo : Nofatsihan’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra ny biraon’ny « proviseur »

Niakatra ny maripàna tany amin’ny Distrikan’ Ampanihy Andrefana, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny tati-baovao voaray avy any an-toerana, tsy nanaiky ny fitakiana vola 52 000 ariary isaky ny mpianatra ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra ao amin’ny lycée Fotadrevo, satria voalaza fa voaroaka izay tsy mahaloa. Noho ny fanamparam-pahefana sy ny tsindry hazo lena voalaza ihany koa fa ataon’ny « Proviseur » ao amin’ity liseam-panjakana ity, dia tezitra ireo mpampianatra sy ny Fram, ka nofantsihan’ ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra vao maraina ny biraon’ ny « Proviseur ». « Fantsihanay Ray aman-dreny ity birao ity ary tsy misokatra raha tsy tonga ny proviseur vaovao. Ny mpianatra kosa mahazo mianatra ihany », hoy ny vakin’ny sora-baventy miranty mipetraka amin’ny varavarambe voafantsika. Manoloana izao toe-draharaha izao, miantso ny tompon’andraikitry ny Fampianarana ao amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana ireto mpampianatra sy Ray aman-dReny mba hitady vahaolana haingana.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici