- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanihy Andrefana : Mitaky ny hanakatonana fiangonana zandriny iray ny mponina

Ampanihy Andrefana : Mitaky ny hanakatonana fiangonana zandriny iray ny mponina

Manoloana ny tsy fanajana ny zon’ olombelona sy fanararaotana ara-nofo mateti-piseho ataona pasitera amina fiangonana zandriny (sekta) iray ao Andranomamy, dia nidina an-dalambe nilanja sorabaventy afak’omaly ny vahoakan’ Ampanihy Andrefana ; izay nitaky tsy misy fepetra ny hanakatonana sy handravana izany fiangonana izany. Raha ny nambaran’ireo nitondra teny nentin-katezerana tamin’ity hetsika ity, dia « tsy azo asiana vatam-paty ny mpivavaka ao aminy rehefa maty. Ary ny tena loza tsy eken’ ilay pasitera hotsaboina eny amin’ny hopitaly ireo mpivavaka ao aminy, tsy azo atao vaksiny na tsindronina ihany koa. Tsy ekenay izany tsy fanajana ny zon’ olombelona izany, satria tsy mety ary tsy mifanaraka amin’ny fomban-tany sy rafi-piarahamonina aty aminay. » Nilaza ny tsy hanajanona ny hetsi-pitakiana ireo mpitokona, raha tsy mikatona ity fiangonana ity.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici