Noho ny fanohanana kandidà iray tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo iny, dia olona efa-mianaka no saika namoy ny ainy nodorana velona sy hotapahin-doha, ny alin’ny alatsinainy teo, tao Ampamata, kaominina ambanivohitr’i Belafika-Haut, any amin’ny distrikan’ Ampanihy Andrefana. Raha ny fanazavana azo dia fifandirana ara-politika nanomboka ny 31 jolay lasa teo no fototry ny olana, satria tsy nety nanao sonia ny fitanana an-tsoratra (PV) nanoloana ireo tsy fanarahan-dalàna nisy ity raim-pianakaviana iray, izay « délègue de vote » an’ny kandida iray, na dia norahonana hotifirina tamin’ny basy sy hotapahin-doha aza ny vady aman-janany ny alin’ny zoma androm-pifidianana. Tsy nijanona teo ny lonilonin’ireo fianakaviana kandidà iray resy, fa niitatra hatrany amin’ny famonoana ho faty an’ity « délègue » ity mianakavy ny raharaha, ny alin’ny 31 aogositra teo. Raha araka ny vaovao voaray dia notohanan’ireo olon-dratsy avy any ivelany ny varavaran’ny tranony, mba tsy hahafahan’ny olona rehetra ao an-trano mivoaka, ary mandeha ihany ny fandrahonana samihafa amin’io, fa izay mivoaka eo dia tapahin-doha. Ny lelan’afo efa niredareda no nanaitra azy efa-mianaka tao an-trano. Noezahin’ireto fianakavina nopoirina ny varavarankely ka teo no nafaha-nitsoaka nanavotra aina, raha tsy izany dia may kila forehitra tao noho ny fialonana.
Eric Manitrisa