Trangam-piarahamonina hafakely sarotra inoan’ny saina nefa zava-misy, niseho tany amin’ iny distrikan’ Ampanihy Andrefana iny no atolotra antsika mpamaky androany. Ramatoa iray mananika ny 40 taona izay matin’ny aretina ka nalevina efa ho iray volana eo ho eo no hitan’olona miriaria sy mipetraka matetika eo am-baravaram-pasana nandevenana azy. Dimy andro taorian’ny fandevenana azy, raha ny loharanom-baovao voaray, dia tovolahy roa niandry omby tsy lavitra io fasana io, izay nahafantatra an’io ramatoa efa nindaosin’ny fahafatesana io no nahita azy nitsangana tamin’ny maty voalohany. Noho ny tahotra dia nirifitra nitsoaka izy roalahy ireto ary nitantara ny zavatra hitany tamin’ny olona tao an-tanànany. Ny asabotsy teo, raha ny fampitam-baovao azo, dia nivory ny fianakaviany, ka natao ny fombafomba rehetra mahakasika ny maty nentina namahana ity trangan-javatra. Tsy nankasitrahan’ity ramatoa ity hatramin’ny fahavelony mantsy ny hilevina amin’ity fasana nametrahana azy, ka izany no heverin’ny maro ho mahatonga izao trangan-javatra tsy fahita ity.
Eric Manitrisa