- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmpanihy Andrefana: Tovolahy mpangalatra osy sy ondry, matin'ny fitsaram-bahoaka

Ampanihy Andrefana: Tovolahy mpangalatra osy sy ondry, matin’ny fitsaram-bahoaka

Tovolahy iray sahabo ho 27 taona eo, voalaza fa efa in-droa nigadra noho ny resaka hala-botry sy vaky trano ary asa fandrobana, no tra-tehaka nangalatra osy sy ondry, afak’omaly alina, tany Androka Distrikan’ Ampanihy Andrefana, ka maty voafiran’ny famaky. Araka ny tati-baovao voaray, dia nivovo tsy nety nijanona ny alika teo an-tokotany ny alin’io, ka nivoaka ny trano niaraka tamin’ny lehilahy roa ny tompon’ireo biby fiompy raha nahare feo sy kotaba tao anaty valan’ombiny, izay tsy lavitra ny trano fonenany. Raha vao nahatazana an’ireto vatan-dehilahy anefa ireo mpangalatra roa lahy, dia nitsoaka. Nisaringotra tamin’ny hazo saika hanaovana trano teo an-tokotany anefa ny malaso iray, ka nianjera tsy afa-namindra intsony, ka dia noraisim-potsiny. Vetivety dia vory ny olona nijery ny zava-misy. Fantatra tamin’izany, fa tovolahy eo an-tanàna ihany ity dahalo voasambotra ity, izay malaza ratsy efa hatry ny ela , nefa tsy mety fay fa mbola manohy hatrany ny asa ratsy na dia efa naiditra am-ponja in-droa aza, ka nanamparan’ny Fokonolona ny hatezerany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici