Tranga nahavalalanina ny maro no niseho tany Ampanihy Andrefana, afak’omaly. Tovolahikely mpianatra iray sahabo ho 10 taona eo, hanala fanadinana Cepe amin’ity volana ity no maty nivilan-doha rehefa avy namono biby manan-jina voalaza fa « tarondron-dolo », izay karazana tanalahy tsy dia fahita matetika. Rehefa avy nirava nianatra ity zazalahy ity sy ny namany roa niaraka taminy hamonjy fodiana, ny talata hariva teo, dia nahita tanalahy iray miloko volondavenona teny ambony hazo tamin’ny kirihitr’ala nolalovan’izy ireo. Na dia efa noran’ny namany mafy aza dia nalain’ilay zazalahy namoy ny ainy io biby io, ka nolalaoviny nataony kiombiomby, avy eo nampijaliana sy novonoiny. Tsy nanampo na inona na inona ny rehetra, fa raha vao niditra ny trano fonenany ity namono tanalahy, dia nitaraina ho narary an-doha mafy, avy teo nidelira sy nikiakiaka ary nihizitrizitra sady niolankolana tenda toy ny tratran’ny aretina ambalavelona ireny. Fito minitra taorian’izay, raha araka ny tati-baovao voaray, dia safotra tsy nahatsiaro tena izy, ka nikoropaka ny havany nitondra azy haingana namonjy tobim-pitsaboana, nefa teny an-dàlana sahabo 3km miala ny tanàna dia tapitra ny ainy. Nokarohin’ny fokonolona moa ny fatin’ilay tarondro mba saika hanaovana fombafomba « ala fady » amin’ity tranga nampihoron-koditra ity, kanefa tsy hita popoka teo amin’ny toerana notondroin’ireo ankizy roa lahy niara-nody tamin’ity zazalahy namoy ny ainy ity intsony ilay biby tanalahin-dolo manan-jina.
Eric Manitrisa