- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmpanotokana Ambohidratrimo : Jiolahy tratran’ny fokonolona, niharan’ny daroka

Ampanotokana Ambohidratrimo : Jiolahy tratran’ny fokonolona, niharan’ny daroka

Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ity olon-dratsy ity no tra-tehaky ny fokonolona ka tsy afa-niala intsony. Nisy tamin’ireo nahatratra no tsy nahatsindry fo, efa leon’ny resaka tsy fandriam-pahalemana ka avy hatrany dia nidaroka ity olon-dratsy. Naratra vokatr’izany ity farany, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary teny an-toerana, araka ny fampitam-baovao azo. Tranga niseho tetsy Mahatehilaza, ao amin’ny fokontany Anosivolakely, kaominina Ampanotokana, distrikan’Ambohidratrimo, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo.

Araka ny fampitam-baovao azo, niezaka ny hiditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray teny an-toerana ity olon-dratsy ity tamin’io alina io. Soa ihany anefa fa sendra henon’ny tompon-trano ny fisokitsokirany ny varavarany ka nampandre tamin’ny alalan’ny someso ny manodidina ilay saika ho lasibatra. Saika efa voentana ny amin’ny resaka fiarovan-tenan’ny tanana moa ny mponina, ka raha vao naharay ny antso vonjin’ny tompon-trano dia nirohotra, namonjy ilay niharam-boina. Tetsy andaninin’izay ihany koa, efa nampandrenesina ny zandary. Tsy nampoizin’ingahy mpangalatra velively ny fiavin’ireo fokonolona, izy mbola somokotra ny hiditra an-keriny ihany, ka na niezaka ny hitsoaka aza dia efa voahodidina sy voasambotra. Niharan’ny daroka maromaro ihany ity farany, hoy ny vaovao, ary naratra mafy vokatr’izay ity mpamaky trano ity. Tonga teny an-toerana taorian’izay moa ireo mpitandro filaminana. Ary soa ihany fa tonga nanesotra ity olon-dratsy teo ambany hatezeran’ireo mponina ary nitondra azy tany amin’ny toeram-pitsaboana, talohan’ny nitazomana azy, ho amin’ny famotorana. Marihina fa tsy mbola tafiditra tao an-trano akory ity farany ary tsy mbola nahavita akory ny zava-dratsy nokasainy hatao talohan’ny nahatratraran’ny fokonolona azy izao. Ilaina tokoa ny firaisan-kinan’ny mpiara-monina tahaka izao, entina hiadina amin’izao firongatry ny tsy fandriam-pahalemana izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici