- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmpanotokana Mahitsy : Taxi-môtô sy mpivarotra omby nifamono, very ny 7 tapitrisa ariary

Ampanotokana Mahitsy : Taxi-môtô sy mpivarotra omby nifamono, very ny 7 tapitrisa ariary

Efa fahazaran’ity mpivarotra omby ity no maka taxi-môtô handeha hody any aminy, eny Maimandry, raha miala avy etsy amin’ny tsenan’omby etsy Ampanotokana Mahitsy, distrikan’Ambohidratrimo ny tenany. Ny alin’ny zoma lasa teo anefa nampilaza ny zandary ny tenany fa novoina ary nendahin’ny mpitondra taxi-môtô iray. Very tamin’izany ny vola tany aminy, mitentina fito tapitrisa ariary teo ho eo. Teo anatrehan’ny fiezahan’ireompitandro filaminana misahana iny faritra iny, amin’ny fampandriana fahalemana na andro na alina iny faritra iny, dia nandray andraikitra avy hatrany ireto farany ary niezaka namonjy ity niharam-boina ity.

Teo Antanetilava no raikitra ny ady teo amin’izy roalahy ireto ary niafara tamin’ny fandratrana mihitsy izany. Karazana fandrobàna, raha ny filazany satria very tamin’io fotoana io ny vola nentiny, ny sakaosy ary ny finday iray. Naratra vokatr’izany ihany koa ilay mpivarotra omby ary efa nentina notsaboina. Tamin’io alin’io ihany moa nosamborina avy hatrany tany an-tranony ilay mpitondra taxi-môtô ary nentina notazomina natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy tao amin’ny borigadin’ny zandary.

« Mbola ao anatin’ny famotorana tanteraka moa izahay fa amin’ny ambangovangony dia misy zavatra tsy mazava ihany ao anatiny », hoy ny  tompon’andraikitry ny zandary eny an-toerana. Raha ny fanazavana azo mantsy dia tamin’ny fito ora hariva no niseho ilay tranga kanefa amin’ny 10 ora alina no nila vonjy tamin’ireo zandary ilay niharam-boina, efa tany an-tranony. Ambonin’izay, mpiray tanana ihany ity lehilahy iray ity sy ilay mpitondra môtô ary mpitondra azy matetika. Ity farany moa izay voalaza fa nanaiky mora ny hanaraka ireo zandary tamin’ny fisamborana azy. Tsara marihana fa naratra vokatr’ilay ady nisy teo amin’izy roalahy ihany koa ity farany ary tsy maintsy alefa hotsaboina. Mbola mitohy moa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Ilay vola rahateo tsy mbola fantatra na aiza na aiza …

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici