Tokantrano iray tany amin’iny faritra Ampanotokana Mahitsy iny no lasibatry ny andian-jiolahy ny alin’ny talata lasa teo. Vokany, renim-pianakaviana iray no naratra mafy, voakapa famaky teo amin’ny lohany. Vola manodidina ny telo tapitrisa tany ho any kosa no lasan’ireo olon-dratsy. Zava-maranitra isan-karazany no teny am-pelatanan’ireto andian-jiolahy ireto, izay nanao amboletra niditra rehefa avy nihanika tamboho, tokony ho tamin’ny misasak’alina teo. Taitra noho ny kotaba tany an-tokotany ny tao an-trano, izay toa nahafantampantatra ihany fa misy manafika. Raiki-tahotra tamin’izay ny iray trano ary niandry izay figadony sisa. Tsy nahatohitra izany intsony anefa ilay renim-pianakaviana ka niezaka sy nitady lalana hitsoahana teny am-bavaravaran-kely. Toa efa voambina avokoa anefa ireo fivoahana ka iny izy handeha hitsambikina teny am-baravaran-kely iny no notselaran’ireo jiolahy tamin’ny famaky teny an-tanany. Voa teo amin’ny handriny ilay ramatoa ary tsy nahetsika intsony. Nanararaotra niditra ireto olon-dratsy, izay niisa teo amin’ny dimy teo, nitondra ilay tompon-trano naratra mafy. Nofatoran’izy ireo niaraka tamin-drangahy tao an-trano io ramatoa io. Ny vola avy hatrany no notakian’ireto jiolahy. Tsy afa-nanoatra ireo tompon-trano ka nanome izay notakian’ireto olon-dratsy ireto. Lasa tamin’izany ihany koa ireo entana sarobidy tao an-trano, niaraka tamin’ny taratasin’ny fiara. Ny teo amin’ny manodidina no nampandre avy hatrany ny zandary tany an-toerana ny mahakasika ilay fanafihana, ora vitsy taorian’ny nisehoan’izany. Tonga teny an-toerana avy hatrany iretsy farany, nanao savahao ny manodidina, saingy efa nadio tanteraka ny rano nitàn’ireto mpanafika. Nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana kosa ilay renim-pianakaviana naratra mafy. Mbola manohy ny fikarohana ary nanokatra avy hatrany ny fanadihadiana moa ireto zandary any an-toerana amin’izao.
m.L