- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmparafaravola : 19651 no tsy manan-kialofana

Amparafaravola : 19651 no tsy manan-kialofana

Efa tafakatra hatrany amin’ny 19651 any ho any ireo tsy manan-kialofana  ary 9028 Ha any ho any ireo tanimbary tototry ny rano ao anatin’ny distrikan’Amparafaravola amin’izao fotoana,  raha ny isa farany taorian’ny asabotsy faha 07 marsa 2015 teo. Ny rano anefa tsy mijanona fa miakatra hatrany .Voatery mifindra toerana hamorona tanàna vaovao mihitsy ny mponina vokatr’izany fiakaran’ny rano izany, ka trano zozoro miampy goailaka hanaronana azy no harafitra mba hipetrahana sy hatoriana. Maro, noho izany, ireo tsy salama vokatry ny hatsiaka sy ny rano fisotro tsy zarizary sady maloto. Misy mihitsy ny tsy afaka manao trano vokatry ny tsy fananana, satria tampoka ny loza ka potika avokoa ireo kely teo am-pelatanana. Trano maro rahateo no nirodana  .Nidina teny ifotony ny minisitry ny angovo sy ny Solitany, Atoa Lalarisaina Valerian, niaraka tamin’ny lehiben’ny faritra, Dr Ramandehamanana Richard, ary ny  lehiben’ny distrikan’Amparafaravola, nanolotra trano labasy hipetrahana, fitaovana fitaterana rano, zerikanina misy paompy, ary vola 2 tapitrisa ariary ho an’Anororo, 1 tapitrisa ariary avy ho an’i Vohitsara sy Tanambe ary Ambohivory  . Samy faly ireo mponina  satria ny fitaovana ipetrahana toy ny labasy no tena olana amin’izy ireo, ka izao natolotra miaraka tamin’ny Croix rouge  izao .Ahiana araka izany ny mbola hitomboan’ny traboina, satria miakatra toy ny isanandro ny ranon’Alaotra, izay fototry ny olana amin’ireo tanàna traboina amin’izao fotoana izao. Mbola manao antso amin’ireo malala-tanana izy ireo ny mba hijerena azy.

Janus R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser