- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmparafaravola : Dahalo tsy matin’ny daroka sy tsinondrona antsy, nodoran’ny olona velona

Amparafaravola : Dahalo tsy matin’ny daroka sy tsinondrona antsy, nodoran’ny olona velona

Voalaza fa tena mahery ny odin’ireo mpandroba ka dia tena matoky izany izy ireo ary tsy misalasala manafika. Notafihan’ny andian-jiolahy miisa hatrany amin’ny folo ny tanànan’Abohivory Amparafaravola,  ny alin’ny faha 15 aprily 2014 hifoha ny faha 16 aprily. Efa fantatry ny vahoaka izao fanafihana tanàna izao ka niomana ihany izy ireo.Tsy nisalasala ireto nanafika ny tanàna ka raikitra ny fifanjevoana sy ny ady saritaka. Olona iray tamin’ny vahoaka no matin’ireo jiolahy ka nahatonga ny fahatezeran’ny vahoaka, izay namaly bontana ary tsy nihemotra mihitsy. Fantatra fa telo tamin’ireo mpanafika no maty ary telo hafa voasambotra. Tamin’ireo maty, araka ny loharanom-baovao, dia nisy  niharan’ny daroka sy ny tsindrona antsy. Tsy nandaitra tamin’ity jiolahy izany zavatra izany. Raikitra ny fandorana velona ilay dahalo. Mbola saika tafaporitsaka ihany izy na dia efa voafatotra aza. Farany dia nakainkon’ny afo ihany ity jiolahy ity. Amin’izao fotoana anoratanay izao, olona efatra no voalaza fa maty tamin’iny alina iny, araka ny loharanom-baovao, ka ny iray avy amin’ny vahoaka, ny telo avy amin’ny dahalo. Nidina ifotony ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny alin’ny nisehoan’ny fanafihana, ka ho hita eo ny tohin’ny fanadihadiana. Malaza amin’ny fanafihan’ny dahalo foana iny tapany andrefan’ny distrikan’Amparafaravola iny ka samy mailo ny rehetra. Araka ny fanazavana azo ihany dia  somary tara ny fampandrenesana an’ireo mpitandro ny filaminana tamin’ity indray mandeha ity.

Janus R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser