- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAmparafaravola : Fandrobana sy kidnapping tompona épicérie

Amparafaravola : Fandrobana sy kidnapping tompona épicérie

Kalachnikov sy basim-borona no nentin’ny jiolahy miisa valo nanafika ny mpivarotra enta-madinika iray tao amin’ny fokontany Maheriara, Morarano-Chrome (faritra Alaotra Mangoro). Ny alin’ny zoma teo, vao nanomboka maizina ny andro, amin’ny enina ora sy sasany hariva, no nigadona ireo olon-dratsy izay tsy nisaron-tava. Nambanana basy ny mpivarotra ary nalaina tao amin’ilay toerana ny kojakoja maro ankoatra ny entam-barotra. Isan’ny voamarika tamin’ny tatitry ny zandary ny halatra “batterie”, “plaque solaire”, fanamafisam-peo, ny finday rehetra ary ny vola mitentina 1,7 tapitrisa ariary. Tsy vitan’izay fa mbola nentin’izy ireo niaraka taminy ihany koa ny tompon’ny tsena. Nisy nahavita niantso ny zandary tao Morarano-Chrome. Nanomboka teo ny fanarahan-dia. Fantatr’ireo olon-dratsy izany ka nahatonga an’ireo namotsotra teny an-dàlana ilay olona nalain’izy ireo an-keriny. Efa tonga hatrany ambanivohitra koa ny kidnapping…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici