- Publicité -
mardi, mars 3, 2026
AccueilFaits-DiversAmparafaravola : Fandrobana sy kidnapping tompona épicérie

Amparafaravola : Fandrobana sy kidnapping tompona épicérie

Kalachnikov sy basim-borona no nentin’ny jiolahy miisa valo nanafika ny mpivarotra enta-madinika iray tao amin’ny fokontany Maheriara, Morarano-Chrome (faritra Alaotra Mangoro). Ny alin’ny zoma teo, vao nanomboka maizina ny andro, amin’ny enina ora sy sasany hariva, no nigadona ireo olon-dratsy izay tsy nisaron-tava. Nambanana basy ny mpivarotra ary nalaina tao amin’ilay toerana ny kojakoja maro ankoatra ny entam-barotra. Isan’ny voamarika tamin’ny tatitry ny zandary ny halatra “batterie”, “plaque solaire”, fanamafisam-peo, ny finday rehetra ary ny vola mitentina 1,7 tapitrisa ariary. Tsy vitan’izay fa mbola nentin’izy ireo niaraka taminy ihany koa ny tompon’ny tsena. Nisy nahavita niantso ny zandary tao Morarano-Chrome. Nanomboka teo ny fanarahan-dia. Fantatr’ireo olon-dratsy izany ka nahatonga an’ireo namotsotra teny an-dàlana ilay olona nalain’izy ireo an-keriny. Efa tonga hatrany ambanivohitra koa ny kidnapping…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici