Nifanandrina ny zandary sy ny dahalo taorian’ny nahafantaran’itsy farany ny toerana nanafenana ny omby halatra .Omby 14 tany ho any no nangalarin’ireo jiolahy taoVohitsara Tanambe, ny 19 janoary 2016 lasa teo ka nanaovan’ny zandary paik’ady ny hitadiavana ireo omby ireo ,satria niely ny feo fa hamidy ao amin’ny tsenan’i Tanambe ny hena. Mpivarokena iray no voasambotra ka io no nanoro ny toerana fanafenana ny omby ary nataon’ny zandary bemidina .Raikitra ny fifampitifirana satria nampiasa basy maromaro ihany koa ireo jiolahy ka dahalo 2 no maty teo no ho eo, ary poleta vita gasy iray no azo miampy jiolahy 2 izay azo sambom-belona ,fa tafatsoaka kosa ny ambiny. Nitohy hatrany ny fanadihadiana sy ny ezaka nataon’ny zandary ka fantatra fa nihaodihaody tao Ampananganana kaominina Beanana Tanambe ireo dahalo ,ka raikitra ny fidinana teny izay nisian’ny fifanjevoana teo amin’ny zandary sy ny dahalo indray ka mbola nahafatesana dahalo 4 ary jiolahy 2 no voasambotra fa tafaporitsaka ny namany miaraka amin’ny fitaovam-piadiana toy ny basimborona sy ny lefona. Tafakatra 6 araka izany ireo dahalo matin’ny mpitandro ny filaminana ary roa kosa no voasambotra. Mbola mitohy ny fikarohana amin’izao fotoana izao, satria nirongatra izay tsy izy ny fanafihana mitam-piadiana nataon’ny jiolahy tamin’iny faritra Amparafaravola Tanambe iny ary tsy mitsitsy fa manao ny savahao rehetra ny zandary ao Tanambe araka ny loharanom-baovao voaray.
Janus R