- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAmparafaravola : Jiolahy manao fanamiana miaramila sy mitondra 4X4 nanafika

Amparafaravola : Jiolahy manao fanamiana miaramila sy mitondra 4X4 nanafika

Tany Brieville-Amparafaravola no nitrangan’ ity fanafihana mitam-piadiana ity, ny maraim-ben’ny alatsinainy teo. Enin-dahy mitazona PA sy MAS 36 no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Samy manao kiraro “nylon”, irony antsoina hoe Kiranyl irony izy ireo. Raha araka ny fanazavan’ny voatafika, dia nitondra fiara tsy mataho-dàlana izay nitondra ny laharana 3036 TAB ireo olon-dratsy. Vato  » beryllium” 30 kg no lasa nandritr’izany asan-jiolahy izany. Nalaky nandray ny andraikitra ny mpitandro ny filaminana ary rehefa nifampita vaovao, dia napetraka ny barazy. Sarona tao anatin’izany, tao Morarano-Chrome ireo olona dimy tao anatin’ilay 4X4 marika Kia. Tratra tao avokoa ireo basy sy ilay vato sarobidy. Ny iray tamin’ireo jiolahy ihany no tafatsoaka. Sefo fokontany iray antsoina hoe Charles Kely io tafaporitsaka io. Mitohy ny fitadiavana azy. Ireo basy indary dia fantatra fa basy efa nokikisana, mba tsy hahitana izy niaviany intsony. Mitohy ny fanadihadiana ireo dimy lahy mpanafika tao Brieville.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser