- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmparafaravola : Jiolahy raindahiny maty voatifitry ny pôlisy

Amparafaravola : Jiolahy raindahiny maty voatifitry ny pôlisy

Nifanjevo indray ny pôlisy sy ny andian-jiolahy tany amin’iny distrikan’Amparafaravola iny. Vokany, iray tamin’ireo olon-dratsy, izay efa fanta-daza amin’ny resaka fakàna an-keriny no lavo, ny alin’ny talata hifoha alatsinainy lasa teo. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy dia nahazo vaovao ireo pôlisy avy eo anivon’ny Hery vonjy taitra na ny FIP, izay ao anatin’ny asa fiadiana amin’ny resaka fakàna an-keriny, fa misy andian-jiolahy milafika ao amin’ny fokontanin’Amparamanina, any amin’iny distrikan’Amparafaravola iny. Nidina avy hatrany tany an-toerana izy ireo, rehefa nahazo alalàna avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka ao Alaotra Mangoro, niezaka nikaroka ireo olon-dratsy ireto. « Tao amin’ny fokontanin’ny Mahakary no nifanehatra ny roa tonta raha nitifitra avy hatrany ireo jiolahy. Niezaka niaron-tena sy namaly ny polisy. Hany ka tany tamin’ny 2 ora maraina dia jiolahy iray no lavo. Nisy iray hafa voasambotra ary nisy kosa ireo tafaporitsaka ka noho ny fitsinjovana ny ain’ireo polisy amin’ny haizin-kitroka sy ny tifitra vary raraka hataon’ireo jiolahy dia tsy afaka nanara-dia izy ireo » araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy. Taoriana fitsirihana natao, taorian’ny fifandonana no nahafantarana fa jiolahy raindahiny ary lehiben’ny jiolahy, mpampihorohoro sy mpaka an-keriny tany amin’iny faritra Amparafaravola iny ity lavo ity. « Efa nokarohina mafy noho izay asa ratsy nataony sy ny ekipany izay izy io », raha ny vaovao azo hatrany. Ilay voasambotra kosa, raha ny fampitam-baovao hatrany dia zanak’ity farany ihany, tovolahy 21 taona, monina any amin’iny kaominina Morarano Chrome iny. Nentina notazomina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny kaomisaria ao Amparafaravola moa izy ireo, ho amin’ny tohin’ny fanadihadiana. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo namany any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici