- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmparafaravola : Lehilahy roa lasan’ny dahalo mpaka an-keriny

Amparafaravola : Lehilahy roa lasan’ny dahalo mpaka an-keriny

Niaraka niambina vary teny an-tanimbary izy ireo, izay fantatra fa tompon’ny vary, niaraka tamin’ireo mpiambina. Saingy iretsy voalohany ihany no efa voatilin’ireo olon-dratsy ary nentin’izy ireo an-keriny nanaraka azy ireo. Nitrangana fakàna an-keriny, nataona dahalo am-polony nitam-piadiana tao amin’ny kaominina Ambodirano, distrikan’Amparafaravola, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Raha ny fanazavana nentin’ny kaomandin’ny vondro-tobim-paritra Ambatondrazaka, nantsoina an-tariby, dia olona miisa roa izy ireo, lehilahy avokoa. Fanaon’ny olona ny amin’iny faritra iny ny miambina ireo vary efa voahosy, eny an-tanimbary. Tamin’izay fotoana izay indrindra no nohararaotin’ireo andian-dahalo maromaro no nanao ny asa ratsiny. Raha ny angom-baovao azo avy any an-toerana dia tsy hoe izy roalahy ireto irery no teny an-tanimbary tamin’io fotoana io fa niaraka tamin’ireo olona maromaro, karamaina ho mpiambina niaraka tamin’izy ireo. Fantatr’ireo mpaka an-keriny tsara anefa hoe izy ireo no tompon’ny vary ary ireo sisa hafa dia mpiambina fotsiny ihany. Tsy afa-nanoatra firy ihany koa iretsy mpiambina teo anatrehan’ireto olon-dratsy nitam-piadiana tamin’izay. Taorian’io ihany moa dia efa nampandrenesina ny zandary tany an-toerana ary nisy avy hatrany ny fandrasaina andraikitra nataon’izy ireo. « Mbola eo am-panaovana fanarahan-dia ireo olon-dratsy izahay » raha ny fanazavana avy amin’ny zandary. Raha ny angom-baovao avy any an-toerana hatrany dia tsy mbola nisy aloha hatreto, hatramin’ny omaly hariva, ny fangatahana vola ho tambin’ny famotsorana azy roalahy ireto, nataon’ireo mpitana an-keriny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici