- Publicité SW45 -
lundi, juillet 8, 2024
AccueilFaits-DiversAmparafaravola : Miramila nanao fisavana voadaroka

Amparafaravola : Miramila nanao fisavana voadaroka

Miaramilan’i DAS nanao fisavana olona nampiahiahy no niharan’ny daroka avy amin’ireto farany. Nalain’ireo olona hatramin’ny basy teny amin’ilay miaramila raha araka ny vaovao azo. Nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta izay niteraka faharatrana avy amin’ny andaniny sy ny ankilany. Rehefa nohamarinina dia olona handeha hanao fitrandrahana vato eny an-toerana ireo namaly rehefa nosavaina. Niantso namana ilay miaramila ary natao ny fisamborana ireo olona. Ny efatra ihany no azo raha tafatsoaka ny namany hafa. Voaverina ihany koa ny basy notananan’ilay miaramila. Natolotra ny zandary ireo olona efatra ary nisy ny fanadihadiana natao azy ireo. Ireo naratra kosa nentina teny amin’ny hopitaly.

D.R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici