- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmparafaravola : Mirongo basy “Mass 36” am-polony ireo dahalo rehefa manafika

Amparafaravola : Mirongo basy “Mass 36” am-polony ireo dahalo rehefa manafika

Manjaka ny tsy fahandriampahalemana ao amin’ny distrikan’Amparafaravola. Manafika ny dahalo mpangatr’omby ary mirongatra ihany koa ny vaky trano. Mandry tsy lavo loha araka izany ny mponina any an-toerana na andrenivohitra na ambanivohitra, araka ny fitarainan’ny solombavam-bahoaka voafidy tany amin’io distrika io ka mila ho kivy, satria sady manao andiany ampolony maro ireo dahalo no mampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika ary tena sahy mamono mihitsy.

Nambarany ary fa hatramin’ny niandohan’ity volana ity, dia fanafihan-dahalo mitam-piadiana telo ary nahafatesana olona no nitranga tao amin’io distrika ka nahaverezana omby  mahery ny 500. Ny voalohany dia nitranga ny fiandohan’ity volana ity. 58 ireo dahalo no nanafika ary nirongo basy “Mass 36” miisa 23. Voaroba tamin’izany ny omby 200 ary olona telo no namoy ny ainy nandritra ny fanafihana. Herinandro tao aorian’io, omby 150 mahery indray no voaroba ary olona 2 no matin’ireo dahalo. Telo andro taorian’io ihany, omby 150 indray no lasa.

Araka ny fanazavan’ity solombavam-bahoakan’i Madagasikara ity, dia ny fisian’ireo fitrandrahana vatosoa tsy ara-dalàna any amin’iny faritra Alaotra iny (Ididy, Amparafaravola, Andilamena) no isan’ny nampirongatra ny asan-jiolahy any amin’io distrika io. Maro loatra ireo vahiny tonga any ka tsy voa ara- maso intsony ny fivezivezen’ny olona. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra manoloana izany ary ity solombavam-bahoaka voafidy tao Amparafavola ity mba hijerena akaiky izao raharaha izao. Nasiany resaka ihany koa ny tokony hisian’ny fanaraha-maso ireo vahiny Srilankey mpividy vato izay tonga maro any an-toerana amin’izao fotoana izao.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici