- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmparafaravola : Mitohy ny fanamboarana lalana ataon’ny Gropecam

Amparafaravola : Mitohy ny fanamboarana lalana ataon’ny Gropecam

Ny distrikan’Amparafaravola indray no nidinan’ny fikambanan’ny mpandraharaha ato anatin’ny faritra Alaotra Mangoro amin’izao fotoana izao, lalana potika sahabo eo amin’ny 200 metatra eo, eo akaikin’ny tanànan’Ampasikely, no nasian’izy ireo fanamboarana  ny faha 16 aprily 2014 teo. Araka ny nambaran’ny ben’ny tanànan’Ampasikely dia efa an-taonany maro no nampijaly ny mpitatitra sy ny vahoaka io lalana io, ka mahafaly anay izao  fandraisana andraikitra ataon’ny fikambanan’ny mpandraharaha izao, satria ho afa-pahasahiranana izahay. Manome toky izy fa hiaro izao asa vita izao. Araka ny nambaran’ny filohan’ny mpandraharaha, Day Rabenony, dia hitarina amin’ny distrika maro izao fanampiana ny vahoaka izao amin’ny fanamboarana ny lalana ka hijery ny RN 44 izy ireo, satria misy tetezana mampijaly ny vahoaka ao, miangavy ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra hatrany izy ireo amin’ny fifanampiana amin’ny tokony hampandrosoana ny tanàna tsirairay.

Janus R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser