- Publicité SW45 -
samedi, septembre 28, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmparafaravola : Mpaka an-keriny voasambotry ny zandary

Amparafaravola : Mpaka an-keriny voasambotry ny zandary

 Vao tsy ampy roa andro na telo andro ny kaomandy ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena eto Betsiboka no nanome baiko hoan’ireo mpitandro ny filaminana ambany fifehezany sy ny Zandary manao hetsika fampandriana fahalemana ny tany any amin’ny tapany atsimon’ny disitrikan’i Tsaratanàna amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy mpiray tsikombakomba sy ambadikan’ny trangana fakana an-keriny, indrindra fa ireo malaso tompon’antokana amin’izany. Ny sabotsy maraina faha 15 jona 2024 teo, tokony tamin’ny 9 ora no efa nahitana fahombiazana sahady ny baiko avy amin’ny kaomandy, ka voasambotr’ireo Zandary manao  » Opération Harato 2″ avy ao Amparafaravola sy Zandary avy eto Betsiboka tany amin’ny fokontan’Ambohidehilahy, kaominina ambanivohitra Ambodirano, any amin’ny disitrikan’i Amparafaravola ilay dahalo antsoina hoe: Andriatsilatsaina Arivao Nantenaina, izay voarohirohy ho mpiray tsikombakomba tamin’ny fakana an-keriny olona roa tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambakireny, any amin’ny disitrikan’i Tsaratanàna. Tamin’ny alàlan’ny fanomezam-baovao avy amin’olona tsara sitra-po no nahazoana ny loharanom-baovao makasika an’ity jiolahy ity, ka izay no nahatonga ny fivondronan’ireo Zandary manao hetsika fampandriana fahalemana ny tany hoan’Amparafaravola sy ny Zandary aty Betsiboka niroso tamin’ny fisamborana an’ilay malaso voatondro. Raha ny angom-vaovao avy tamin’ireo mponina sy ny fianakavian’ny niharam-boina tany Ambakireny, dia hita teny an-toerana nandritra ny fanafihana sy fakana an-keriny niseho tao amin’ity tanàna voalaza etsy aloha ity ny jiolahy voasambotry ny Zandary, satria izy tokoa no mpitari-dalana hoan’ireo olon-dratsy nialoha ny fanafihana tamin’izany. Natolotra ny Zandary ao Amparafaravola, any amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ilay dahalo ho hanokafana fanadihadiana sy famotorana.

Ratantely

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici