Raim-pianakaviana iray 53 taona, izay mpiasan’ny Kaominina ambonivohitra Amparafaravola miandraikitra ny fandaminana ny tsena no maty voatsatok’antsy teo am-panatanterahana ny asany, tao amin’ny tsenan’ny tantsaha manoloana ny tranompokonolona, ny zoma naraina teo. Raha ny vaovao voaray, nisy lehilahy iray mpivarotra avy any Ambongamarina no namelatra entana teo amin’ny faritra tsy azo hivarotana. Rehefa noraràn’ity mpiasan’ny Kaominina ity, ary nasaina mba hifindra toerana ilay mpivarotra, avy dia namoaka ny antsy teny ambalahany, ary tsy nihambahamba fa avy hatrany dia nanindrona an’ity mpandamina tsena. Ity farany izay tsy nanampo na inona na inona. « Voa teo amin’ny kibony i Romain ary nilentika lalina dia lalina ny tsatoka ka nidaraboka tamin’ny tany izy », hoy ireo nanatri-maso. Nohezahina nentina haingana tany amin’ny hopitaly ity mpiasan’ny Kaominina nihosin-drà, nefa tsy tana ny ainy. Vao nahita ny zava-nisy ny olona dia nitroatra, ka nidaroka sy nampihatra ny hatezerany tamin’ilay nahavanon-doza. Soa ihany fa tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana naka haingana azy, raha tsy izany dia matin’ny fitsaram-bahoaka teo ity mpamono olona.
Eric Manitrisa