- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversAmparafaravola : Niampy iray indray ireo olona matin’ny pesta

Amparafaravola : Niampy iray indray ireo olona matin’ny pesta

Niampy iray indray ny olona matin’ny pesta tao Amparafaravola. Tafakatra 3 izany hatramin’izao no fantatra fa matin’io aretina io .Nandray ny andraikiny avy hatrany ny faritra Alaotra Mangoro nidina tany Amparafaravola nanolotra fanampiana ny vahoaka amin’ny fanadiovana ny tanàna iray manontolo: vovom-boalavo maromaro, borety fanariana fako , angady , fourche ,miampy solika ho an’ny fiara  hanatanterahana izany fanadiovana izany. Tonga nanolotra ireo fitaovana ireo sy nanentana ny rehetra ny sekretera jeneralin’ny faritra, Atoa Randrianantoandro Stanislas, miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy. Nanambara ity tompon’andraikitra ambony amin’ny faritra ity fa efa voafehy tanteraka io aretina io ka tsy misy tokony hatahorana. Ampy rahateo sy maimaimpoana ny fitsaboana eny amin’ny tobim-pahasalamana. Tsy tokony hisalasala ny rehetra raha misy ny tranga mampiahiahy eo amin’ny fahasalamana  fa hanatona haingana ny hopitaly. Tonga nandray ireo fitaovana ireo sy nanotrona ny lanonana ny lehiben’ny distrikan’Amparafaravola, ny ben’ny tanàna, ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny fahasalamana any an-toerana. Natao teo am-povoan’ny tsena rahateo ny fanolorana sy ny fanentanana ny vahoaka ny sabotsy faha 13 desambra 2014,  ka maro ny liana  sy resy lahatra amin’ny tokony hisian’ny fanadiovan’ny isan-tokantrano.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser