Mbola niasa teny an-tanimbary ireto olona ireto no nandalo ireo dahalo ary avy hatrany dia nibata ny 13 tamin’izy ireo ary nitondra azy ireo an-keriny niala teo. Tranga niseho tao Sahamena, fokontany Andilambarika, kaominina Andrebakely Sud, distrikan’Amparafaravola, ny alatsinainy lasa teo. Raha ny angom-baovao azo dia dahalo nahatratra teo amin’ny 12 lahy teo ho eo no nandalo tao amin’io tanàna voalaza etsy ambony io. Nitondra fitaovam-piadiana ireto farany ary nandrahona ireto olona ireto, izay samy mbola revo tamin’ny asan-tanimbary. Marihina fa olona mipetraka any amin’ny 20km miala ity toerana ity avokoa izy ireo, any amin’izany Analamahavelona izany. Nentin’ireto dahalo an-keriny nihazo ny lalana mianavaratra avy hatrany moa ireto olona am-polony ireto ary rehefa tonga teo amin’ny toerana iray, andrefan’ny tanànan’Amparihimaina, kaominina Ambohimandroso, dia navotsotr’izy ireo ny sivy tamin’ireto olona nalain’izy ireo. Tsy nisy afa-tsy olona efatra araka izany sisa nentiny nianavaratra hatrany : lehilahy avokoa : 18, 21, 29, ary 35 taona, izay samy mipetraka ao Analamahavelona, Ambodifarihy avokoa. Raha ny vaovao azo hatrany, ny alin’io alatsinainy io, raha ny vaovao azo hatrany dia niezaka niantso ny fianakavin’ny iray tamin’ireto niharan’ny fakàna an-keriny ireto ireo olon-dratsy tamin’ny alalan’ny findain’izy ireo ihany. Vola manodidina ny 20 tapitrisa ariary teo ho eo, isan’olona, izay hoe manodidina ny 80 tapitrisa ariary no notakian’ireo olon-dratsy ho tambin’ny famotsorana ireo efa-dahy. Marihina fa ny ampitson’io tranga io vao nahare ny zava-nisy ny mpitandro filaminana tany an-toerana ary mazava ho azy efa nisy ny fandraisana andraikitra ataon’izy ireo, entina manavotra iretsy lasibatra sy hisamborana ireo olon-dratsy.
m.L