Rehefa nalain’ireto jiolahy ireto avokoa ny vola, ny vata fahitalavitra, ny entana sarobidy rehetra tao an-trano dia nofatorany izy efa- mianaka ary nentiny nanaraka azy ireo ilay renim-pianakaviana rehefa tsy afapo tamin’ny vola azony ireo jiolahy .Tsy lavitra ny tanàna anefa, dia nendahany ny akanjon’ilay renim-pianakaviana dia notetehany sabatra ny hatony ka tapaka ny tendany, niboraka ny atidoha ,ary mbola nokapainy indray mandeha tamin’ny lamosiny ka niboraka ny nofo ,nandriaka ny rà .Tao amin’ny fokontany Antanandava kaominina Morarano chrome no nitrangan’izao habibiana izao, ny 5 feboroary 2020 tokony ho tamin’ny 11 ora alina izay misy fianakaviana 5 mianaka izay niakaran’ireto jiolahy mirongo basy sy sabatra ny toknatrano misy azy ireo, ka avy hatrany dia namaky varavarana lehibe ka niditra tao an-trano . Nanontany ny jiolahy hoe : aiza avokoa ny volanareo sy ilay vary namidy ,nanambara ny tao an-trano fa tsy manambola izahay ary mbola tsy azo ny vola, tezitra ireto jiolahy ka nofatorany ny raim-pianakaviana sy ny zanany telo mianadahy ,ary nangoniny izay azo nalaina tao antrano ,ary nofatorany ihany koa ny vavan’ilay renim-pianakaviana ka nentiny niaraka taminy haka ilay vola amin’ireo izay voalaza fa nividy ilay vary, kinanjo novonoiny rehefa lasa lavitry ny tanàna . Voavahan’izy efatra mianaka ny fatorana rehefa lasa kelikely ireo jiolahy ka raikitra ny antso vonjy , nifamory ny fokonolona ny andro rahateo nadiva ho maraina , nantsoina ny mpitandro ny filaminana ka niaraka nikaon-doha hitady ilay renim-pianakaviana fa hoe natao takalonaina .Rehefa nanara-dia sy nikaroka ireto fianakaviana, dia nisy nahita ilay ramatoa, saingy vatana mangatsiaka sy mihosin-drà no tazana tao tanimbary izay efa tsy nisy akanjo ny vatany ambony .Manao antso amin’ny mpitondra ny ao Morarano amin’ny tokony hijerena azy ireo, fa matetika no misy manafika sy misy maka an-keriny tahaka izao foana . Ny alin’io 5 feboroary io ihany koa, dia tokantrano roa no voatafika dia ny tao Ambahiboa izay nirefodrefotra ny basy ka tokantrano iray no lasibatra sy ity tao Antanandava ity
R janus