Mpivady mitazona irony ozinina fitotoambary irony, no nisy nanafika ny faramparan’ny herinandro teo. Naratra mafy tokoa izy mivady ireto ary voatery nentina teny amin’ny hopitaliben’Ambatondrazaka mba hotsaboina .Tsy fantatra mazava ny zavanisy, fa tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina ny asabotsy 14 martsa 2015 no nitrangan’ny fanafihana. Na niantso vonjy aza ireto mpivady ireto, dia tsy nisy ny namonjy ka izao niafara tamin’ny ratra mahatsiravina izao. Tsy fantatra mazava ihany koa ireo zavatra sarobidy lasan’ireo jiolahy, fa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao. Tsy lavitra teo ihany koa no nahitana fatin’ankizivavy sahabo ho 16 taona any ho any; izay nisy namono dia nasitrika tao anaty alan-kininina. Tsy fantatra ihany koa ny momba ity zazavavy ity. Samy tao amin’ny tanànan’i Morarano Chrome ao anatin’ny distrikan’Amparafaravola avokoa, no nahitana izao zavatra mahatsiravina izao
Janus R