- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmparatanjona Anjozorobe : Vehivavy novonoina sy natsentsina tao an-davabato

Amparatanjona Anjozorobe : Vehivavy novonoina sy natsentsina tao an-davabato

Renim-pianakaviana iray no hita faty, tao anaty lavabato iray tao amin’ny toerana antsoina hoe Tsarahonenana, fokontany Besorindrana, kaominina Amparatanjona, distrika Anjozorobe ny herinandro lasa teo iny. Raha ny tombatombana nataon’ireo tomponandraikitra nidina ifotony teny an-toerana dia nisy namono izy ity.

Hatairana tokoa ny an’ireo mponina, ny harivan’ny alakamisy lasa teo, raha nahita ity vatana mangatsiaka natsentsina tao anaty lava-bato iray tao amin’io toerana voalaza etsy ambony io. Raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana, ny lohany no nasesik’izay nahavanon-doza tao anatin’ilay lavaka, ary tamin’ny fotoana nahitàna ny razana dia efa nohanin’ireo foza sy ireo biby madinika tao anatin’io lavaka io ny faritra sasany tamin’ny lohany. Rehefa avy nampandrenesina avy hatrany moa ireo tompon’andraikitra rehetra tany an-toerana, niaraka tamin’ireo mpitandro filaminana, dia nidina tany an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy. Tsy azo hihodivirana fa novonoina ity vehivavy ity ary nasitrika tao amin’io lava-bato io nony avy eo. Nahitàna ratra vokatry ny tsindrona tamin’ny zava-maranitra mantsy ny lohany, ary voalaza ihany koa fa toa hoe naolana alohan’ny namonoana azy. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay tena zava-nitranga sy nahatonga izao vono olona feno habibiana izao. Efa eo am-panaovana famotorana mahakasika izay sy ny fikarohana izay olona mety ho nahavano-doza moa ireto tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana. Ny razana kosa dia efa nomena ny fianakaviana taorian’ny fitsirihana rehetra natao. Marihana fa renim-pianakaviana mipetraka any amin’iny faritra iny ihany ity hita faty ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici