Tsindrona antsy enina be izao no niantefa teny amin’ity tovolahy iray, izay karazan’irony mpanakalo devizy tsy ara-dalàna irony, nandritra ny fifanjevoana niseho tao amina toeram-pisakafoana iray teny amin’iny faritra Ampasamadinika iny, ny herinandro lasa teo. Olona efatra no voarohirohy tamin’izany, ka teratany vahiny ny iray tamin’izy ireo, izay azo lazaina fa atidoha tao ambadik’ity famonoana ity ary samy voasambotry ny polisy eo anivon’ny UIR avokoa. Efa tetika maty paika mihitsy ny an’ireto olona ireto raha zohina ny tantara, mba hangalana ireo devizy sy vola teny amin’ity tovolahy ity. Araka ny fanazavana azo mantsy, dia efa nanakalo devizy teo amin’ity ranamana ity ilay vazaha talohan’ity raharaha maizina ity. Niverina fanindroany izy niaraka tamin’ny namany hafa ka nahatoky tanteraka ilay tovolahy. Nandeha irery tany amin’ilay toeram-pisakafoana izay efa nofinidin’ireto olon-dratsy ireto tam-boalohany. Tsy nampoiziny anefa, fa niafara tamin’ny ady sy rà nandriaka ilay bizina. Ilay tovolahy irery nifanandrina tamina tovolahy efatra. Sendra ny be noho ny vitsy ranamana ka voatazona, ary nohararaotin’ireto farany tamin’izay ny namely azy tamin’ny antsy. Ilay tompona hôtely no nampandre sy nitady pôlisy haingana rehefa nandriaka ny rà. Tonga haingana teny an-toerana ry zareo avy ao amin’ny UIR, nijery ny zava-nisy. Ary tamin’izay fotoana izay, tsy nisy afa-tsy ny iray tamin’io mpamono sisa no tratra. Ity farany no nanoro ilay vazaha namany izay efa nitsoaka. Izy dia voasambotra teny Itasoy. Izy roalahy ireto indray no nanoro ny namany teny amin’iny faritra Anosibe iny. Rehefa napetraka ny vela-pandriaka dia voasambotra ny roalahy, izay somary namaly ka voatery nanapoahana basy mihitsy. Natolotra ny Fampanoavana omaly izy efa-dahy ireto, ary samy nadoboka am-ponja avokoa. Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hôpitaly kosa ilay mpanakalo vola vahiny voatsindrona antsy. Nanentana hatrany ireto tompon’andraikitry ny pôlisy mba ho mailo amin’itony karazana bizina tsy ara-dalàna itony, satria efa tsy kely làlana tokoa ny ratsy. Ny an’ity tovolahy ity, dia vola no notadiaviana kanefa ny aina no saika nanaraka ary vazaha, izay azo lazaina fa mpanjifany ihany no namely azy.
m.L