
Karaokam-by sisa tavela tamin’ity fiara tsara tarehy, mitondra ny laharana avy amin’iny tapany Avaratry ny Nosy iny. Levon’ny afo tsy nisy azo noraisina izay rehetra tao anatin’ity fiara « mercedes » iray. Tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro tany ho any no nisehoan’izany teny amin’iny faritra Ampasampito iny. Tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy vokatr’io loza io, hoy fanazavana azo teo anivon’ny mpitandro filaminana. Hatairaina ny an’ireo mponina teny an-toerana raha nahitana lelafo nijoajoala teo amoron’arabe. « Tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny firehetana », hoy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana tonga teny an-toerana. Araka ny vinavinan’ireo olona teny an-toerana dia angamba tselatr’afo avy amin’ny tariby roa nifampikasoka no nahazo lasantsy ary niteraka izao loza izao. Raha ny fantatra teny an-toerana mantsy dia toa hoe nisy fahasimbana ity fiara ity ka voatery nijanona sy naka sisiny ny mpamily. Teo am-panokafana ny saron’ny môteran’ny fiara mihitsy anefa izy no niseho ny loza. Niredareda avy hatrany ny afo, nandevona ilay fiara. Soa fa tsy nisy olona tao anatin’ity fiara ity, raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso. Samy nanao izay tratran’ny ainy avokoa ireo fokonolona, nampian’ireo mpamonjy voina avy ao Andravoahangy, namono ny afo. Ambonin’ny fahatarain’ny mponina sy ny fananana simba, anisan’ny niteraka fitohanana lavareny ambonin’ny fitohanana mahazatra teny amin’iny faritra ihany koa ity loza ity.
m.L