Hatairana avokoa ny an’ireto mponina teny amin’iny faritra Ampasampito iny omaly maraina. Fiara tsy mataho-dalàna iray mantsy no nivarina an-kady teny an-toerana, manoloana indrindra ny garazy Mikoja. Potika tanteraka ny ilan’ilay fiara, na izay aza avotra soa aman-tsara ny mpamily. Tsy nisy araka izany ny aina nafoy na ny naratra. Tokony ho tamin’ny valo ora mahery teo no nitranga ity loza hafakely ity. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia nijanona sy niantsona teo amin’ny sisin’arabe teo amin’io toerana io ity fiara niharan-doza ity. Ny tsy fantatr’ilay mpamily anefa, efa nanomboka nihotsaka ny sisin’arabe, noho ny afitsoky ny orana nisesisesy teo. Efa nisy ihany ny fefy nipetaka teny an-toerana saingy toa mbola nisisika teo ihany ilay fiara, hoy ireo mponina. Noho ny havesatry ny fiara araka izany dia niletsaka ilay tany ary ny farany dia nitondra ilay fiara, hivarina tany an-kady. Tafiala malaky tao anaty fiara araka izany ilay mpamily ka tsy nanaraka ilay fiara tany. Soa ihany koa fa mba voatohan’ireo zava-maniry teny an-tenantenan-tsolatra ity farany fa tsy nifatratra taty amin’ireo tranon’olona taty ambany. Raha tsy izany mety ho fatin’olona miampantrampatra indray no hita teny an-toerana.
m.L