Enin-dahy no tompon’antoka ary nampiasa basy tsy latsaky ny roa izy ireo nandritra ny fandrobana; izay notontosaina. Tetsy Ampasampito, raha teo am-piomanana ny hanidy tsena ny tompon’ny toeram-pivarotana lehibe iray no tonga tampoka ny jiolahy. Nizara izy ireo ka nisy ny andiany izay niditra tao anatin’ny toeram-pivarotana ary nisy kosa ny niandry tety ivelany ary nandrahona ny olona izay mitady hiditra an-tsehatra. Miaraka amin’ny basy na ny taty ivelany na ny tao anatiny, tamin’io fotoana io. Tokony ho tamin’ny valo ora alina no nitranga ny fanafihana, ny zoma lasa teo, raha araka ny fanampim-baovao sy ny fanazavan’izay nanatri-maso. Lasa ny vola sy ny entana izay nety tamin’ny mpanafika, fanao izay matetika mitranga ihany rehefa misy ny asan-jiolahy izay mianjady amin’ny toeram-pivarotana. Nitazam-potsiny, toa ny mahazatra ihany koa, ny olona raha vao nahita ny basy izay teny an-tanan’ny jiolahy. Izany rehetra izany dia nanamora ny fanafihana ary tena tsy nisy fanahiana mihitsy ny olon-dratsy teo am-panatontosana ny fandrobana. Rehefa vita izay nataony dia niala teo an-toerana, tsy mba nihazakazaka akory, fa dia nandeha an-tongotra nilamina ary nifangaro tamin’ny olona tany alohaloha tany. Natao ny fampandrenesana ny polisy rehefa tsy teo an-toerana intsony ny jiolahy. Narahina ny lalan’ny mpanafika ary nosafoina ihany koa ny elakelan-trano sasany, saingy tsy nahitam-bokany izany. Toa ny efa hain’ny jiolahy tsianjery ny lalana hitsoahana ary efa maizina koa ny andro hany ka nanjavona tao anatin’izany rehetra izany ireo. Mbola iny andron’ny zoma iny koa no nisy tokantrano izay voatafika tamin’ny basy teny amin’ny fokontany Ankadifotsy. Tamin’ity raharaha ity indray anefa, dia nahomby ny fanadihadiana izay nataon’ny polisy satria nisy olona voasambotra rehefa nipetraka ny taratasy fitoriana nataon’ny tompon’ny trano. Isan-taona dia mirongatra hatrany ny asan-jiolahy rehefa an-katoky ny fetin’ny faran’ny taona. Mila mivonona manarak’izany koa ny mpitandro ny filaminana mba hahafahan’ny mponina manao fety ao anatin’ny filaminan-tsaina.
D.R