- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasampito : Lehilahy hita faty tao anaty fiara « bâché »

Ampasampito : Lehilahy hita faty tao anaty fiara « bâché »

SUICIDELehilahy iray fantatry ny maro eny amin’iny faritra Ampasampito iny, amin’ny anarana hoe Mamy, no hita faty tao anaty fiara 404 Bâché iray teny an-toerana, omaly. Tsy fantatra na nisy namono na namono tena.

Savorovoro vao maraina ny teny Ampasampito, manandrify indrindra ny « rond point » lalana mizotra mankany Andraisoro. Rangahy iray, mpibata entana eny an-toerana, fantatry ny rehetra  amin’iny faritra iny no hitan’izy ireo, efa vatana mangatsiaka tao anaty fiara. Misavorovoro ihany ny filazan’ireo olona teny an-toerana, mahakasika izay fahitana razana tao anaty fiara izao. Araka ny fitantaran’ireo mponina hatrany dia mbola hitan’izy ireo nibata entana teo an-toerana io lehilahy io, fotoana vitsy talohan’ny nahafatesany. Ny filazan’izy ireo hatrany, dia hoe nirahina naka entana tao anatin’io fiara io izy. Tsy nipoitra elaela anefa, ka nampiahiahy ilay mpaniraka. Tamin’izany no nahitana azy, nihantona tamin’ny alàlan’ny « cache-nez » teny an-tendany, tao anatin’io fiara io, araka ny fitantaran’ireo teny an-toerana hatrany. Mpitondra fivavahana iray no isan’ny nahita ary namonjy, saingy efa tsy nisy aina intsony ny lehilahy. Iray tamin’ireo havany ihany koa no nampidina azy teo amin’ny fihantonany. Mpibata entana, eny Ampasampito eny ity rangahy ity, ary ao anatin’ireo fiara eny an-toerana no matory izy. Mponina eny amin’iny faritra Ambatomaro iny kosa ity rangahy ity, raha ny filazan’ireo olona hatrany. Asa, raha mety hisy hifandraisany amin’izao fahafatesany izao, fa araka ny nambaran’ny reniny dia ny harivan’io nahafatesany io no fantany ihany koa fa namoy ny ainy ny zanany. Na izany na tsy izany dia tonga teny ny mpitandro filaminana nijery ny zava-misy sy nanokatra ny fanadihadiana. Tsy fantatra mazava mantsy, na maty nisy namono ity rangahy ity na namono tena, araka ny fiheveran’ireo olona azy, na namoy ny ainy noho ny aretina tsotra ihany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici