- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasampito : Mpiambina maty voatsatoka antsy

Ampasampito : Mpiambina maty voatsatoka antsy

Tovolahy iray 18 taona, miandraikitra ny fiambenana fivarotana iray etsy Ampasampito no maty nisy namono tamin’ny tsatoka antsy. Raha araka ny vaovao dia matory ao amin’ilay toeram-pivarotana izy io isak’alina. Omaly tokony ho tamin’ny dimy ora maraina anefa, raha nifoha ka nanompy maso ny toeram-pivarotana ny tompon-trano dia tsikaritr’izy ireo fa nivoha fotsiny ny varavarana. Nojerena ny tao anatiny ka teo no nahitàna fa efa nitsiatra tamin’ny tany ilay tovolahy. Nisokatra ny vavany ary nahitàna dian-drà tao amin’ilay efitra. Nisy goaka teo akaikin’ny fony ary mbola nitohy nivoaka ny rà, raha ny vaovao nampitain’ny mpitandro ny filaminana. Ireto farany ihany no nanamarika fa tsy nisy entana very na ny kely akory aza tao amin’ilay fivarotana. Mbola hita tao an-trano ilay antsy izay heverina fa namonoana azy. Nisy ny fanadihadiana nisokatra momba ity vonoan’olona ity. Efa maty tany ivelany ve izy dia naterina tao an-trano sa kosa no notafihana tao an-toerana ihany ? Nametra-panontaniana momba io ihany koa ny mpitandro ny filaminana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser