Nandriaka indray rà ny sabotsy hariva lasa teo tetsy Ampasampito. Tovolahy 26 taona, nitondra môtô no maty tsy tra-drano rehefa avy nifatratra tany ambanin’ny kamioben’ny Samva tsy lavitra foibe toeran’ity sampan-draharaha ity omaly hariva tokony ho tamin’ny fito ora tany ho any. Araka ny nambaran’ireo nanatri-maso, dia efa nidona tamina fiara iray tsy mataho-dalana teo ambonimbony teo ity môtô ity. Tsy tana tamin’izany ny familiana ka tany ambanin’ilay kamiô handeha hiakatra no nifatratra. Voadona mafy teo amin’ny lohany ity tovolahy. Potika tanteraka kosa ilay môtô nentina tamin’io fotoana io. Nivoaka rà avokoa ny vavany sy ny orony noho izay dona mafy nahazo azy izay, ary teo noho eo ihany dia namoy ny ainy ity tovolahy ity. Hatreto dia tsy fantatra mazava izay zavatra niseho fa mifamahofaho be ihany, hoy ny mpitandro filaminana. Misy mantsy olona milaza fa nandeha mafy ity tovolahy nitondra môtô ity ary nikivilavila be ihany teny an-dàlana. Teo amin’io fiolahana io anefa, dia toa tsy voatanany intsony ny familiana ka nidona tamina fiara iray teo alohany izy. Nakipilin’ity farany ary dia notsenain’ilay fiarabe. Ny filazan’ireo olona hafa indray dia hoe ity fiarabe ity no somary nangalatra làlana. Tsy nahita ilay mpitondra môtô ary dia voadona ity farany. Efa raikitra ny tabatabata teny an-toerana. Ity filazana farany ity mantsy no saika ren’ny besinimaro ka efa rafitra handeha hamono ilay mpamilin’ity fiarabe mpitaona fako ity ny rehetra. Ireto farany, izay efa leo rahateo ny afitsok’ireto fiaraben’ny Samva ireto eny an-dalana : ny tsy firaharahiana ireo mpampiasa lalana, manampy trotraka ny haratsin’ny fiara izay miteraka fitohanana lavareny, ka tsy te hahalala intsony na iza no diso na iza. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro filaminana nandamina ny raharaha. Fantatra fa, efa notazonina ao amin’ny biraon’ny pôlisy misahana ny lozam-pifamoivoizana ny mpamilin’ity fiarabe ity. Eo am-panaovana fanadihadiana mahakasika ny fitrangan’ity loza iretsy voalohany. Nentina tany amin’ny trano-paty kosa ilay tovolahy namoy ny ainy.
m.L