- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAmpasampito : Raha tsy nalaina miafina ny feo dia nigadra

Ampasampito : Raha tsy nalaina miafina ny feo dia nigadra

Niainga tamin’ny fifandoman’ny fiara noho ny fahamamoan’ny mpamily iray ny raharaha. Teo dia nisy ny fanindriana avy hatrany fa I ranona dia mahafantatra an’I ranona. Niakatra fitsaràna mihitsy ny raharaha rehefa nitory ny iray noho ny fanompàna sy famporisihana ny olona hanao fitsaram-bahoaka. Izy mamo izany no niantso polisy. Saingy nidoboka am-ponja tokoa ilay olona izay niharan’ny fitoriana. Ny tsy fantatry ny mpitory anefa dia ny fisian’ny feo izay nalain’ny olona iray tao anatin’ny fiara nandritry ny fifamaliana. Tsy iza fa ny vadin’ilay mpamily ihany no nanao izany. Iny horonam-peo iny no nentina niady tamin’ny fiarovan-tena teny amin’ny fitsaràna ary dia afaka madiodio ilay olona. Ankehitriny indray anefa dia milaza io farany fa misy olona izay manara-maso matetika ny fivezivezeny ary dia tena voamariny tokoa izany. Heveriny ho valifaty no anton’izany ary efa nisy ny fepetra noraisiny mahakasika izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici