Mirongatra ny sinto-mahery sy ny asa fanendahana eto an-drenivohitra amin’izao. Saika isan’andro ahenoana ity tranga ity foana, ary miandahy miam-bavy ireo manao ny asa ratsy, roboka hatramin’ny tovovavy manja sy tsara fitafy, matihanina, tsy misy manampo hoe : tontakely. Ny asabotsy antoandro teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany, ramatoa iray avy niantsena teny Andravohangy no very vola 160 000 ariary tao anaty taksibe. Nahiahiany avy hatrany ilay tovovavy iray teo akaikiny naira-nipetraka sy nitakosona taminy. Tsy nety nosavaina ity farany ka rafitra ny ady.
Matihanina. Rehefa nofotorana lalina izy, satria efa niaka-pofona ny mpandeha rehetra tao anatin’ity taksibe ity, dia nibaradaka ihany, ary nilaza fa any amin’ilay tovolahy sipany nipetraka aorian’ny seza nipetrahan’izy sy ilay ramatoa lasibatra ny vola, fa lelavola 2 600 ariary no hita teny aminy. Ny paoketran’ilay renim-pianakaviana niharam-boina nidanaka no nanaitra ity farany, raha iny saika hampirina famerim-bola avy tamin’ ilay resevera izy. Rava teo ny nofinofy Saint-Valentin-n’ireto mpitsam, hoy ny esoeson’ireo mpandeha. Ilay ramatoa kosa tsy naka lagy rehefa tafaverina ny volany.
Manitrisa